Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zon’olombelona
Ohabolana 31 : 8 – 9
8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ny kamboty ny rariny;
9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Salamo 82 : 3
3 Alaharo ny tenin’ny mahantra sy ny kamboty; Omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Isaia 1 : 17
17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.
Galatiana 3 : 28
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
Mika 6 : 8
8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.
Genesisy 1 : 26
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.
Leave a Reply