Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zavatra ratsy manjo ny olona tsara
Jaona 9 : 1 – 41
1 ARY raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.
6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ny masonao?
11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ny Fariseo.
14 Ary tamin’ny andro Sabata no nanaovan’i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15 Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 Ary hoy indray izy tamin’ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 Ary amin’izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ilay nahiratra
19 ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20 Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ny tenany.
22 Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia horoahina hiala amin’ny synagoga.
23 Izany no nilazan’ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 Fa izy namaly hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino hianareo; nahoana no te-hihaino indray hianareo? Moa te-ho mpianany koa va hianareo?
28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’i Mosesy.
29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’Andriamanitra; fa ny amin’izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va hianao?
36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy hianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy hianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Romana 8 : 28
28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo,
Jeremia 29 : 11
11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.[95]
Apokalipsy 21 : 4
4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
1Korintiana 13 : 12
12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Salamo 10 : 1 – 18
1 JEHOVAH ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao Ka miery amin’ny andro fahoriana?
2 Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo;[13] Azon’ny fihendrena nataony izy ireny.
3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ny fony; Ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’i Jehovah.
4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; Eny, ,,Tsy misy Andriamanitra’’ no tontalin-keviny.
5 Tanteraka[14] mandrakariva ny alehany; Any amin’ny avo lavitra azy ny fitsaranao; Ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: Zinona ireny?
6 Hoy izy am-pony: Tsy hangozohozo aho, Tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; Ao ambanin’ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
8 Mamitsaka amin’ny fanotrehana ao an-tanàna izy, Ao an-katakonana no amonoany ny marina; Ny masony mikendry ny mahantra.
9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ny famitsahany izy; Manotrika hisambotra ny malahelo izy; Fandrihany amin’ny haratony no fisambony ny malahelo.
10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra Ka lavo amin’ny herin’ny ratsy fanahy.
11 Hoy izy anakampony: Efa nanadino Andriamanitra; Efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tànanao; Aza manadino ny ory.
13 Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy Ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ny tànanao. Hianao no iononan’ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
15 Torotoroy ny sandrin’ny ratsy fanahy; Ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; Voafongotra tsy ho amin’ny taniny intsony ny jentilisa.
17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ny mpandefitra; Mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, Mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’olombelona etỳ an-tany.
Matio 5 : 45
45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Salamo 13 : 1 – 6
1 Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. JEHOVAH ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
2 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy Sy hahalahelovako am-po isan-andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ny fahavaloko ho amboniko?
3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; Ampahazavao ny masoko, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
4 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: Naharesy azy aho, Fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
5 Fa raha izaho kosa, dia ny famindramponao no itokiako; Ho faly amin’ny famonjenao ny foko.
6 Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy.
1Jaona 2 : 15
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Matio 13 : 18 – 23
18 Koa amin’izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ny mpamafy:
19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana.
20 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana;
21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
22 Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
23 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
1Korintiana 11 : 29 – 30
29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
30 Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
Isaia 57 : 1
1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, Ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.[267]
Lioka 13 : 2 – 3
2 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’izany zavatra izany izy?
3 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.
Joba 14 : 1
1 Ny olona tera-behivavy Dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
1Korintiana 10 : 13
13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
Leave a Reply