Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zaza ratsy
Eksodosy 21 : 15
15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
1Korintiana 15 : 33
33 Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana aminâny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.
Efesiana 6 : 4
4 Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao aminâny famaizana sy ny fananaranâny Tompo izy.
Hebreo 12 : 11
11 Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho anâizay nanaovana azy izy.
Deoteronomia 21 : 18 – 21
18 RAHA misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feonâny rainy, na ny feonâny reniny, ka tsy zakany anarina,
19 dia hosamborinâny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny aminâny loholona aminâny tanĂ nany, eo aminâny vavahadinâny tanĂ na onenany,
20 dia hiteny aminâny loholona aminâny tanĂ nany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanĂ nany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
Eksodosy 20 : 12
12 ManajĂ ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao aminâny tany izay omenâi Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Efesiana 6 : 1 – 3
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao aminâny Tompo, fa marina izany.
2 ,,ManajĂ ny ray sy ny reninaoââ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 ,,mba hahita soa hianao sy ho maro andro amboninâny tanyââ (Deo. 5.16).
Ohabolana 17 : 25
25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy aminâny reniny niteraka azy.
Ohabolana 22 : 6
6 Zaro aminâizay lĂ lana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala aminâizany.
Ohabolana 19 : 18
18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
Kolosiana 3 : 20
20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo aminâny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao aminâny Tompo izany.
1Jaona 5 : 19
19 Fantatsika fa avy aminâAndriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo aminâilay ratsy avokoa.
Ohabolana 29 : 17
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalianâny fanahinao.
Ohabolana 22 : 15
15 Miraikitra aminâny fonâny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
Romana 1 : 30
30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halanâAndriamanitra,[7] mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Ohabolana 13 : 24
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
2Timoty 3 : 2
2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy,[8] tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
Ohabolana 30 : 11
11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
Ohabolana 29 : 15
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
1Korintiana 10 : 1 – 360
1 FA tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambaninâny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
2 ary izy rehetra dia natao batisa ho aminâi Mosesy tao aminâny rahona sy ny ranomasina,
3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro taminâny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrakâAndriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilanâireny.
7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin ireny, araka ny voasoratra hoe: ,,Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.ââ (Eks. 32.6).
8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany taminâireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo[23] isika, tahaka ny nakanâny sasany taminâireny fanahy Azy, ka matinâny menarana ireny.
10 Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany taminâireny, izay matinâny mpandringana.
11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharanâny faranâizao tontolo izao.
12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakanâny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lĂ lana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
14 Koa aminâizany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15 Miteny toy ny aminâny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana aminâ[24] ny ranâi Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisina aminâ[25] ny tenanâi Kristy va izany?
17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray aminâizany mofo iray izany avokoa.
18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona aminâny alitara va?
19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina aminâny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20 Tsia, fa izay zavatra aterinâny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny aminâny demonia, fa tsy aminâAndriamanitra (Deo. 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona aminâny demonia hianareo.
21 Tsy mahazo misotro aminâny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana aminâny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.
22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 fa ,,anâi Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminyââ (Sal. 24.1).
27 Ary raha misy aminâny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina taminâny sampy io, dia aza homana noho ny aminâilay nilaza sy ny fieritreretana.
29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny anâny tenanao, fa ny anâny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarainâny fieritreretanâny olon-kafa?
30 Fa raha aminâny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy aminâizay anaovako fisaorana?
31 Koa aminâizany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitrâAndriamanitra izany rehetra izany.
32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonanâ[26] Andriamanitra,
33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra aminâny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
Leave a Reply