zavamaneno ao am-piangonana

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zavamaneno ao am-piangonana

Salamo 150 : 1 – 6
1 HALELOIA. Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny.
2 Miderà Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny.
3 Miderà Azy amin’ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo.
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.

Salamo 150 : 3 – 5
3 Miderà Azy amin’ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo.

Efesiana 5 : 19
19 ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo,

Jakoba 5 : 13
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.

Apokalipsy 14 : 2 – 3
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona[69] izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany.

Efesiana 5 : 15 – 25
15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.
18 Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo,
20 misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy.
22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana;[19] ary Izy no mpamonjy ny tena.
24 Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana[20] an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra.
25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana[21] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,

Apokalipsy 5 : 8 – 14
8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona[35] efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ny olona masina izany.
9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny ranao no nanavotanao[36] ho an’Andriamanitra Olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny Sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ny tany izy.
11 Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona,[37] ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo,
12 nanao tamin’ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, Dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena Sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana Sy ho an’ny Zanak’ondry anie Ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana Mandrakizay mandrakizay.
14 Ary ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona[38] dia niankohoka ka nivavaka.

Salamo 98 : 4 – 6
4 Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5 Mankalazà an’i Jehovah amin’ny lokanga, Dia amin’ny lokanga sy ny feo fihirana,
6 Amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’i Jehovah Mpanjaka.

Salamo 150 : 3 – 4
3 Miderà Azy amin’ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

Salamo 18 : 49
49 Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, Sy hankalazako ny anaranao.

1Korintiana 14 : 15
15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.

Salamo 81 : 1 – 2
1 Ho an’ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon’i Asafa. MIHOBIA ho an’Andriamanitra herintsika; Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba.
2 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, Ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ny valiha.

Lioka 15 : 21 – 25
21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.
22 Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
23 ary ento etỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *