Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zava-pisotro misy alikaola
Ohabolana 20 : 1
1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azonâizany dia tsy hendry.
Efesiana 5 : 18
18 Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa aminâizany dia misy fanaranam-po aminâny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
1Timoty 5 : 23
23 Aza misotro rano intsony, fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
Romana 13 : 13
13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny aminâny andro; tsy aminâny filalaovan-dratsy, na aminâny fahamamoana, tsy aminâny fijangajangana, na aminâny fijejojejoana, tsy aminâny fifandirana, na aminâny fialonana.
Galatiana 5 : 21
21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakanâAndriamanitra.
Lioka 21 : 34
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaranâny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahianâizao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
Leave a Reply