Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zana-boriky
Matio 21 : 2
2 Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
Matio 21 : 5
5 ,,Lazao amin’i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa’’[91] (Zak. 9.9).
Matio 21 : 7
7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
Marka 11 : 2
2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo hianareo, miaraka amin’izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy, ka ento etỳ.
Jaona 12 : 15
15 ,,Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky’’ (Zak. 9.9).
Leave a Reply