ZIONA

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany ZIONA

Salamo 132 : 13
13 Fa Jehovah efa nifidy an’i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.

Isaia 60 : 14
14 Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, Ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; Ary izy hanao anao hoe: Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely.

Salamo 87 : 2
2 Ny vavahadin’i Ziona dia tian’i Jehovah Mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’i Jakoba.

Salamo 48 : 11
11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, Aoka ho ravoravo ny zanakavavin’i Joda, Noho ny fitsaranao.

Isaia 35 : 10
10 Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina Ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, Ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, Ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Isaia 51 : 3
3 Fa Jehovah mampionona an’i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao Mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.

Isaia 49 : 14
14 Fa hoy Ziona: Jehovah efa nahafoy ahy, Ary ny Tompoko efa nanadino ahy.

Salamo 78 : 68 – 72
68 Fa nifidy ny firenen’i Joda kosa Izy, Dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69 Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, Tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
70 Dia nifidy an’i Davida mpanompony Izy Ka naka azy avy tany am-balan’ondry;
71 Tany amin’ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakany azy Mba hiandry an’i Jakoba olony Sy Isiraely lovany;
72 Dia niandry ireo araka ny hitsin’ny fony izy Ka nitondra azy araka ny fahaizan’ny tànany.

Isaia 3 : 1 – 26
1 Fa, indro, Jehovah, Tompon’ny maro, Manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’aina,
2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
4 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ny manan-daza.
6 Raha misy olona angatahin’[10] ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
7 Dia hamaly izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, Satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’i Jehovah Mba hihaika ny mason’ny voninanihy.
9 Ny fisehon’ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.
10 Lazaonareo ny amin’ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
11 Lozan’ny ratsy fanahy! hiharan’ny ratsy izy, Satria ny valin’ny nataon’ny tànany ihany no hanody azy.
12 Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny làlana alehanao.
13 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
14 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony amin’ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanimboaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
15 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
16 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
17 Noho izany dia hataon’ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ny zanakavavin’i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18 Amin’izany andro izany dia hesorin’i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha,[11] na ny sarim-bolantsinana,
19 Na ny kavina voavola, na ny rojo,[12] na ny fisalobonana makarakara,
20 Na ny satroka,[13] na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,
21 Na ny peratra, na ny kavin’orona,
22 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapĂ´ty, Na ny saly, na ny poketra,
23 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana,[14] na ny lamba fisaronana;
24 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana;[15] Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ny vy mahamay.
25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an-ady;
26 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanĂ na ka hanjokaiky,

Salamo 65 : 1 – 4
1 Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Tonon-kira. HO anao ny fanginana sy ny fiderana,[90] Andriamanitra any Ziona ô, Ary aminao no anefana ny voady.
2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.
3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; Nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.

Isaia 40 : 9
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô,[196] Miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô,[197] Asandrato mafy ny feonao, Asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!

Isaia 35 : 6 – 10
6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, Ary hihoby ny lelan’ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, Ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.
7 Ny alonalona mitarehin-drano[178] dia ho tonga farihy tokoa, Ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia[179] dia haniry volotara sy zozoro.
8 Ary hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, Izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, Fa Jehovah homba azy,[180] Ka izay mandeha amin’ny làlana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
9 Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, Tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
10 Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina Ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, Ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, Ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Salamo 9 : 11
11 Mankalazà an’i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; Ambarao any amin’ny firenena ny asany.

Isaia 33 : 14
14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravelatsihy.[168] Iza amintsika no hahatoetra amin’ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ny lelafo mandrakizay?

Romana 9 : 33
33 araka ny voasoratra hoe: ,,Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra’’ (Isa. 8.14; 28.16).

Salamo 87 : 5
5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

Isaia 51 : 16
16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, Ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao, Hanao[244] ny lanitra sy hanorina ny tany Aho Ary hanao an’i Ziona hoe: Oloko hianao.

Salamo 2 : 2 – 6
2 Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko Hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3 ,,Aoka hotosantsika ny famatorany, Ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.’’
4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, Ny Tompo maneso ireo.
5 Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy Ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe:
6 ,,Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.’’

Isaia 33 : 20
20 Tsinjovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, Dia lay izay tsy hafindra, Ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, Ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.

Salamo 137 : 1
1 TEO amoron’ny onin’i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’i Ziona.

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *