Zeboima

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany Zeboima

Genesisy 10 : 19
19 Ary ny fari-tanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.

Genesisy 14 : 2
2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’i Adma, sy Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany).

Genesisy 14 : 8
8 Dia nivoaka ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjakan’i Adma sy ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ireo teo an-dohasahan’i Sidima,

Deoteronomia 29 : 23
23 dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’izao fahatezerana lehibe izao?

Hosea 11 : 8
8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, Na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’i Zeboima! Onena ny foko, Mafy loatra ny alaheloko.

1SAMOELA 13 : 18
18 ary ny iray toko nizotra ho any amin’ny làlana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin’ny làlana mankany amin’ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin’ny efitra.

Nehemia 11 : 34
34 sy Hadida sy Zeboima sy Nebala

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *