Inona no lazain’ny baiboly zazakely mankany an-danitra – Ny andininy rehetra ao amin’ny Baiboly zazakely mankany an-danitra

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zazakely mankany an-danitra

Matio 19 : 13 – 14
13 ARY tamin’izany dia nisy zazakely nentina teo amin’i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Matio 18 : 3
3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova[78] hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.

Marka 10 : 13 – 14
13 ARY nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.

2SAMOELA 12 : 22 – 23
22 Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
23 Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.

Asan’ny Apostoly 2 : 38 – 39
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Lioka 18 : 15 – 16
15 ARY nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.

Deoteronomia 1 : 39
39 Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, ary ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.

Jeremia 1 : 1 – 19
1 NY tenin’i Jeremia, zanak’i Hilkia, isan’ny mpisorona tao Anatota, tamin’ny tanin’ny Benjamina,
2 izay nanambarana ny tenin’i Jehovah tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakany,
3 sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda koa, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.
4 Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
5 Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8 Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
11 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro[1] no hitako.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ny tany.
15 Fa, indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa hamelezany ny màndany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tànany.
17 Fa hianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany hianao.
18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimànda sy andry vy ary mànda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.

Asan’ny Apostoly 2 : 38
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *