zaza ratsy

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zaza ratsy

Eksodosy 21 : 15
15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.

1Korintiana 15 : 33
33 Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.

Efesiana 6 : 4
4 Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.

Hebreo 12 : 11
11 Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.

Deoteronomia 21 : 18 – 21
18 RAHA misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ny rainy, na ny feon’ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19 dia hosamborin’ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ny loholona amin’ny tanànany, eo amin’ny vavahadin’ny tanàna onenany,
20 dia hiteny amin’ny loholona amin’ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanĂ nany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.

Eksodosy 20 : 12
12 Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

Efesiana 6 : 1 – 3
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.
2 ,,Manajà ny ray sy ny reninao’’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 ,,mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’’ (Deo. 5.16).

Ohabolana 17 : 25
25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.

Ohabolana 22 : 6
6 Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.

Ohabolana 19 : 18
18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.

Kolosiana 3 : 20
20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.

1Jaona 5 : 19
19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.

Ohabolana 29 : 17
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ny fanahinao.

Ohabolana 22 : 15
15 Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.

Romana 1 : 30
30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra,[7] mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,

Ohabolana 13 : 24
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.

2Timoty 3 : 2
2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy,[8] tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,

Ohabolana 30 : 11
11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.

Ohabolana 29 : 15
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.

1Korintiana 10 : 1 – 360

1 FA tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina,
3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny.
7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin ireny, araka ny voasoratra hoe: ,,Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.’’ (Eks. 32.6).
8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo[23] isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny.
10 Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.
11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.
12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
14 Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15 Miteny toy ny amin’ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’[24] ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisina amin’[25] ny tenan’i Kristy va izany?
17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa.
18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ny alitara va?
19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20 Tsia, fa izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra (Deo. 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo.
21 Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.
22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 fa ,,an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy’’ (Sal. 24.1).
27 Ary raha misy amin’ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ny tenanao, fa ny an’ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa?
30 Fa raha amin’ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’izay anaovako fisaorana?
31 Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’[26] Andriamanitra,
33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *