Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zaza marary
Isaia 41 : 10
10 Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao aminâny tĂ nana ankavananâny fahamarinako Aho.
1Korintiana 1 : 9
9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana aminâny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Salamo 62 : 2
2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy hangozohozo loatra aho.
1Jaona 3 : 2
2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanakâAndriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
Jaona 3 : 16
16 Fa toy izao no nitiavanâAndriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Efesiana 3 : 20
20 Ary ho anâIzay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
2Jaona 1 : 3
3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy aminâAndriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, aminâny fahamarinana sy ny fitiavana.
Leave a Reply