Zava-poana

Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany Zava-poana

Romana 8 : 20
20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,

Salamo 39 : 11
11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, Ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao Hianao; Zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.]

Salamo 62 : 9
9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; Raha hatao amin’ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

Salamo 39 : 5
5 Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko; Ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao; Zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra, na dia ny matanjaka aza.[61] [Sela.]

Salamo 144 : 4
4 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.

Salamo 94 : 11
11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.

Joba 7 : 16
16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

Mpitoriteny 6 : 12
12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay lanìny toy ny fihelin’ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin’ny masoandro?

Mpitoriteny 11 : 10
10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

Salamo 39 : 11
11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, Ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao Hianao; Zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.]

Ohabolana 31 : 30
30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.

Salamo 60 : 11
11 Vonjeo amin’ny mpandrafy izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.

Fitomaniana 4 : 17
17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.

Isaia 57 : 12
12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao; Ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.

Mpitoriteny 2 : 15
15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy; koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: Zava-poana koa izany.

Mpitoriteny 2 : 21
21 Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.

1Korintiana 3 : 20
20 Ary indray: ,,Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany’’ (Sal. 94.11).

Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *