Ireo no Andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba izany zanaky ny fijangajangana
Levitikosy 20 : 10
10 Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
Hosea 4 : 1 – 2
1 MIHAINOA ny tenin’i Jehovah, hianareo Zanak’Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, Satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany,
2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana Sy halatra sy fijangajangana kosa, Eny, manao an-keriny izy[18] ka mifanontona ny fandatsahan-dra.
Leave a Reply